Finoana

Faha-80 taonan’ny sekoly Advantista Fotoam-bavaka no nisantarana azy


  • Talata 07 Mey 2019

Nankalazaina tamin’ny alahady 05 mey lasa teo ny fanombohana ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny sekoly advantista Soamananandrariny na ny Lypars.

 

 

Vavaka nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana azy, narahin’ny dinidinika teo amin’ireo tompon’andraikitra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Maro ireo  tetikasa entina hankalazana azy ity, toy ny fanorenan-trano, ny fanaovana tara ny tokotanin-tsekoly,  ny fametrahana laboratoara, indrindra ny fampiroboroboana hatrany ny fampianarana zaitra ireo zatovovavy mpianatra, ny fahandroan-tsakafo….. Tarigetran’ny sekoly hatramin’izay moa ny hoe : fanabeazana mira fanavotana mba ho tena fanohanana ny tanora Malagasy tokoa. Omena lanja  hatrany ihany koa ny ara-panahy satria io no hita fa tena mampahomby, ankoatra ny fampianarana akademika. Ankoatra ireo maintimolaly efa nandalo tao amin’ny sekoly sy ny fianakaviamben’ity toeram-panabeazana ity moa saika tonga nanotrona ny vavaka fanokafana teny an-toerana avokoa ireo olona maro isan-tsokajiny.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT