Finoana

Faha 50 taonan’ny FJKM Sekoly lehibe roa no ho tsangambato


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Ny 17 ka hatramin’ny 19 aogositra izao no hankalazaina any Toamasina ny jobily faha-50 taonan’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny FJKM sy ny faha-200 taonan’ny Fidiran’ireo misionera avy amin’ny LMS teto amintsika.

 

 Araka ny fanazavana tetsy amin’ny foiben’ny FJKM tetsy Analakely omaly dia maro ireo hetsika hotontosaina any an-toerana mandritra ireo 3 andro ireo. Hibahan-toerana ny fivavahana fa hisy ihany koa anefa ireo hetsika ara-kolontsaina, ny fitsidihana ireo toera-manan-tantara nanamarika izay fahatongavan’ny misionera izay sy ny maro hafa. Tsangambato hanamarika ny fankalazana kosa ny fanorenana sekoly be misy rihana iray sy efitra 10 ao Toamasina. Ankoatra io dia haorina eto Antananarivo ny efitrano hanampy ny toeram-pampiofanana ho mpitandrina eny Ivato misy rihana telo izay natao hahazaka mpianatra miisa 200 sy mamoaka mpitandrina miisa 100 isan-taona.Tanjona lehiben’ny FJKM ny hoe mbola firenena Kristiana i Madagasikara afaka 100 taona ka asa lehibe imasoan’ny Fiangonana ho fanatanterahana izany ny fitoriana sy fizarana ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ilay tetikasa goavana “Vontosy filazan-tsara ny nosy Maddagasikara” miampy fananganana Fiangonana, indrindra fa amin’ireo toerana tsy mbola misy izany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT