Finoana

Faha-50 taonan’ny FJKM Lanonam-be any Antsiranana


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Nizotra tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fanokafana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fiangonana FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny Misiona LMS,

izay nitondra ny fivavahana kristianina voalohany teto Madagasikara. Natomboka tamin’ny diabe niainga teo amin’ny Lapan’ny tanànan’Antsiranana sy namakivaky ny tanàna izany, ary nifarana tao amin’ny Kianja monisipalin’Antsiranana. Ny filohan’ny komitin’ny fankalazana Marc Ravalomanana mivady sy ny filohan’ny fiangonana FJKM Irako Andriamahazosoa Ami no nitarika ny lanonana. Nitohy tamin’ny fotoam-bavaka sy ny lahateny ary antsa an-kira isan-karazany avy eo. Misy ny fampiratiana ireo vokatra isan-karazany, hoenti-manamarika ny lanonaa any Antsiranana toy ny “portes clés” sy ny maro hafa. Nitohy tamin’ny fanofanana ireo mpitandrina marobe eo anivon’ny FJKM. Fandaharam-potoana anio kosa ny fitsidihana sy fitsangantsanganana miavaka hatao any Ramena, toerana isan’ny kanto sy manintona olona maro. Rahampitso alahady ny lanonam-pamaranana ity fanokafana ny jobily lehibe roa sosona ity, ka hisy ny fiaraha-mivavaka lehibe arahin’ny fiaraha-misakafo.

“Vontosy filazantsara i Madagasikara”

Vina sy foto-kevitra lehibe tapaky ny FJKM nandritra ny synaoda lehibe tany Antsirabe ny taona 2016 ny hoe “vontosy filazantsara i Madagasikara” ary nohamafisina nandritra fotoam-bavaka lehibe nenti-nitrotro am-bavaka ny taom-piasana 2017 natao teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny 15 janoary. Tsangam-bato lehiben’izao fankalazana ny faha-50 taonan’ny fiangonana FJKM izao ny fanaganana ny ivon-toerana lehibe fanofanana mpitandrina na ny Kolejy Teolojika hajoro eny Ivato, izay natao ny 8 novambra 2017 ny fametrahana ny vato fehizoron’ny fanombohana ny asa, mba hahafahana manatanteraka hatrany ilay fanamby sy iraka hoe “vontosy filazantsara i Madagasikara”. Manodidina ny 6700 ny fiangonana FJKM eto Madagasikara ankehitriny, ary mahatratra 407 ireo kaominina tsy mbola voarakotra,  izay katsahina hasiana fiangonana ao anatin’ny 4 taona, raha ny vina nambara tamin’ny fotoam-bavaka lehibe natao teny Antsonjombe ny volana janoary. Voasokajy ho isan’ny fiangonana matanjaka indrindra eto Madagasikara ny FJKM amin’izao fotoana izao, ary manana ny lanjany eo amin’ny raharaham-pirenena ihany koa fa tsy ny raharaham-pinoana ihany satria tsy afa-misaraka ireo.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT