Finoana

Faha 50-taonan’ny Fjkm Hanomboka ny 18 aogositra any Antsiranana


  • Alatsinainy 29 Mey 2017

Tontosa omaly tolakandro teny amin’ny Fjkm Tranovato Faravohitra ny fanompoam-pivavahana fametrahana ara-pombam-piangonana ny komitin’ny jaobily ho an’ny Fjkm.

 

Atoa Marc Ravalomanana moa no filoha mitarika izany ary maharitra roa taona ny fotoam-piasany. Toromarika no nomen’ny filohan’ny Fjkm ny mpitandrina Irako Andriamahasozoa Ammi nandritra ny toriteniny dia ny hoe : “miasà ianareo amin’ny fifaliana sy ny fitiavana, miasà amin’ny fahazavan-tsaina sy ny fahendrena, miasà amin’ny finoana sy fanantenana. Ny teny tao amin’ny Timoty II 1,8 manao hoe : “koa aza menatra ho vavolombelon’ny Tompontsika” no lohahevitra nitantanana ity fanompoam-pivavahana omaly teny Faravohitra ity. Nanentana ny mpino Kristianina Fjkm rehetra kosa i Marc Ravalomanana mba hifanampy sy hifanome tanana, hifampitondra am-bavaka satria goavana ny asa atrehana. Mila manam-pitiavana isika manao asa, hoy izy miasa am-pitiavana fa tsy sanatria an-katerena ary hombam-bavaka isan’andro. Aoka tsy ho menatra fa tena ho vavolombelon’i Kristy tokoa ary tena mijoro amin’ny maha Fjkm, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala no nitarika ny fotoana teny Faravohitra io omaly io. Tsara homarihana ihany koa fa ny 18,19 ary 20 aogositra izao no fanokafana amin’ny fomba ofisialy any Antsiranana  ny jobily faha-50 taonan’ny Fjkm.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT