Finoana

Faha-45 taonan’ny STK FJKM Ivontoerana ho an’ny tanora no tsangambato


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Nosokafana tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka lehibe teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy 6 aprily teo ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny Sampana Tanora Kristianina FJKM, izay teo ambany fitarihan’ny filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi.

 

 « Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay  nampianatra anao izany” Timoty II 3:14 A, no nampisalorana azy. Tsangambato lehibe hanamarihana io faha-45 taona io ny fananganana trano lehibe eny Ankadiefajoro Andoharanofotsy, vinavinaina ho vita sy hotokanana amin’ny taona 2020. Ho hita ao ny kianja ara-panatanjahantena hahafaha-milalao baolina kitra, basikety, volley,… ary eo ihany koa ny karazana “Mini-Coliseum” izay hanaovana fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra, raha ny nambaran’ny filohan’ny komitin’ny fankalazana. Hakana hevitra amina presbitera avy any Etazonia satria manan-kevitra ny amin’io izy, hoy kosa ny filohan’ny jobily fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM, izay efa nahavita ny asany Marc Ravalomanana, raha nandray fitenenana. Toerana 2ha no hanaovana azy io, izay tery ihany fa hatao aloha ny “plan de masse”. Handray an-tanana ny fanarenana ny toerana na “terrassement” rehetra i Marc Ravalomanana. Rehefa manome zavatra sy mitaiza ny tanora, dia tena hatao tanora “discipline” na manaja ny fitsipika, ka ny mpitarika no tokony hanaja izay voalohany indrindra aloha, hoy izy. Maniry ny tanora mba ho tafita tahaka ny any amin’ny tany mandroso i Marc Ravalomanana. Amin’ny 3 novambra izao no ivon’ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny STK FJKM, hatao any Fianarantsoa sady fihaonambe nasionalin’ny STK FJKM io.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT