Faha-45 taonan’ny FJKM

> I Fianarantsoa no hampiantrano ny lanonam-pamaranana


  • Talata 20 Aogositra 2013


Ny alahady teo no nifarana ny ivon’ny fankalazan’ny fiangonana FJKM na Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ny faha-45 taona nisiany, tao amin’ny synodam-paritany faha-31 “Vavahadin’ny Filazantsara”. Ao Fianarantsoa no hatao ny lanonam-pamaranana. Amin’ny taona 2018 kosa no hankalazaina ny jaobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 nidiran’ny finoana Protestanta teto Madagasikara. Raha ny antontanisa ankehitriny dia misy sampana 8 mitsangana eo anivon’ny FJKM, miisa 5.000 ny fiangonana miorina manerana ny Nosy, mahatratra 6 tapitrisa ny kristianina sahaniny ao anatin’ny synodam-paritany 37 anisan’izany ny “Vatofehizoro” ao Eoropa sy ny “Vavahadin’ny filazantsara” ao Toamasina izay faha-31.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT