18 aogositra 1968 – 18 aogositra 2013, feno 45 taona ny nijoroan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM); izay nitsangana nandritra ny fanambarana goavana nataon’ireo misiona 03 mandrafitra ny FJKM tao amin’ny fiangonana Tranovato Fitiavana Anjoma ao anatin’ny synodan’ny Vavahadin’ny Filazantsara.
Nilatsaka andro alahady ihany koa ny 18 aogositra tamin’izao fanakalazana izao raha andro alahady koa izany 45 taona lasa tamin’ny nanambarana izany ho an’ny mpino kristiana Fjkm rehetra. Hisy ny fankalazana makotroka omanin’ny FJKM mandritra izao fankalazana ny taon-jobily izao izay hanomboka ny zoma 16 aogositra ka tsy hifarana raha tsy alahady 18 aogositra 2013. Araka ny fanazavan’ny komity mpanomana ny hetsika, ireo mpitandrina Rakotondrazanany Handriatiana filoha synodaly, Randriambeloson Ndriana, Marc Robenson, Radimbimaro Abel, ary Atoa isany Rasamimaka Mahefalahy sy Razakanirina Sedera Lova, dia hatomboka amin’ny fotoam-bavaka eo anivon’ny fiangonana Tranovato Fitiavana izany ny zoma, hisy aorian’izay ny fampirantiana ny tantaran’ny FJKM sy ny tantaran’i David Jones. Ny sabotsy kosa dia misy ny hetsika ara-panatanjahantena izay antsoina hoe : “Petit tour de la ville”, lalao tsipy kanetibe sy ny “Question pour un champion” ara-pilazantsara ary antsam-panahy atao amin’ny Tranovato Fitiavana. Ny alahady kosa dia fotoam-bavaka eo amin’ny tany malalaky ny lycée David Jones ho tarihan’ny filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina. Hisy koa ireo hetsika maro ho fitadiavam-bola hanohanana ny sekoly fanofanana mpitandrina FJKM ao Mandritsara sy Fianarantsoa ary Antananarivo. Fankalazana faha-02 izao hitranga ny faran’ny herinandro izao, satria ny faha-30 taona ny voalohany. Ho avy ao Toamasina avokoa ireo mpino FJKM manerana ny Nosy sy ireo avy any ivelan’i Madagasikara.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.