Faha 40 taonan’ny SAMPATI FJKM Tanjombato

Hetsika hira fiderana no ho fanokafana ny fankalazàna


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Hetsika hira fiderana no ho fanokafana ny fankalazàna ny faha 40 taonan’ny

SAMPATI FJKM Tanjombato Maritiora na Sampana mpanazava sy tily ny tolakandron’ny alahady 30 martsa 2025 izao manomboka amin’ny 2 ora sasany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Teny filamatry ny Sampana mpanazava sy tily Andriafo faha 92 moa, raha ny fanazavàna, ny hoe «Aza mamihina ny soa amin’izay tokony omena azy raha azon’ny tananao atao ihany!». Tenin’ny soratra masina nalaina tao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana 3 : 27 izany. Ny tarika Vavaka hira fiderana na VHF sy ny antoko mpihira The singers of Jesus kosa no handray anjara ao anatin’izay hetsika fiderana izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT