Finoana

FAHA-40 TAONAN’NY FFKM Voafidy ny hira faneva sy ny sary famantarana


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy teo tetsy amin’ny Saint Michel Amparibe ny fisafidianana ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ny

  Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taona niorenany. Ho an’ny hira manokana dia 10 no notsaraina tamin’io sabotsy io raha nahatratra 18 kosa ny sary famantarana. Raha araka ny fanazavan’Atoa Bien Aimée Randrianantenaina  filoha mpanampin’ny filoha vaovao amin’ny taona 2020 dia nahafa-po azy ireo tokoa ny vokatra azo. Marobe mantsy ireo Kristianina nandray anjara tamin’izany. Telo tamin’ireo sangan’asa notsaraina ireo moa no nibata ny amboara  izay hijanona ho fananan’ny FFKM manokana manomboka eto. Nisy ny loka natolotra ho an’ireo tompon’ny sangan’asa izay marihina fa  samy manana ny maha izy azy avokoa. Nampahafantarina tamin’io sabotsy io ihany koa moa ireo olona 12 mianadahy  mpikambana ao anatin’ny birao vaovao vao natsangana, tarihin-dRatefiarivony Romule.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT