Finoana

Faha-40 taonan’ny FFKM Hankalazaina mandritra ny roa taona


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Mankalaza ny faha-40 taona nijoroany ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM. Hanomboka amin’ity taona ity izany, haharitra roa taona ao anatin’ilay teny faneva manao hoe :

 

 

 

  “Hikambana tsara hiray saina sy hevitra”.  Hetsika maro sosona  no entina hanamarihana izany, raha araka ny tafa nifanaovan’ny komty mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ireny ny fikarakarana fifaninanana hira faneva sy sary famantarana vaovao ho azy ireo izay azon’ny rehetra handraisana anjara toy ny zanaky ny fiangonana FFKM manan-talenta, ireo Kristianina….  Eo anelanelan’ny 07 jolay ka hatramin’ny 06 septambra ho avy izao no handraisana izany  hiparitaka manerana ny renivohi-paritany enina. Amin’ny maha raiamandreny am-panahy ireto FFKM ireto moa dia nomarihiny omaly fa tsy manadino ny mitondra am-bavaka ny fiainam-pirenena izy ireo ka anisan’ireny ny CAN 2019 izay handraisan’ny ekipam-pirenena Barea anjara. Toraka izany koa  ny mpitondra sy ny vahoaka tsy an-kanavaka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT