Faha 30 taonan’ny MCCP

Tontosa ny lamesa fanomanana


  • Talata 16 Jolay 2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lamesa nitondrana am-bavaka ny fanomanana

ny fankalazana ny faha 30 taona nitsanganan'ny MCCP na «Mouvement Chrétien de Cadres et Professionnels», izany hoe, ny hetsiky ny Kristianina mpitantana sy matihany tao Antsirabe, raha ny fampitam-baovao voaray tany an-toerana. Tao amin'ny Chapelle ESSVA no nanaovana izany. Nanolotra ny sorona masina ny Aumônier, Révérend Père Jean Elysée Solofonirina. Nitarika ny fivorian'ny mpikatroka kosa, taorian'ny lamesa, ny filohan'ny MCCP, Lalao Raketamanga, hoy hatrany ny fanazavana. Hisy, araka izany, ny hetsika samihafa ho fanamarihana izao faha 30 taona izao satria heverina fa tsy avela andalo fotsiny izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT