Nanotrona ny PRRM, notolorana
mari-boninahitra i Pastera Mailhol
Tonga nanotrona ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny Fiangonana Apokalipsy ny Filohan'ny Fanaovana ny kolonely Randrianirina Michael. Nandritra izany no nanoloran'ny Fanjakana Malagasy ny mari-boninahitra "Grand officier de l'ordre national" ho an'ny Pastera Mailhol, Filoha mpanorina ny Fiangonana. Ankoatra azy dia tompon'andraikitra isan-tsokajiny miisa 13 eo anivon'ity Fiangonana iray ity ihany koa no notolorana mari-boninahitra hafa toy ny Commandeur de l'ordre national, ny Officier de l'ordre national, ary ny Chevalier de l'ordre national ka anisan'izany ny vady andefimandriny. Tetsy amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina no nanatontosana ny lanonana mifandraika amin'izany afak'omaly Sabotsy 08 Aogositra. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy niderana an'Andriamanitra no nanamarihana ny fankalazana narahin'ny dihy sy fampisehoana nandraisan'ireo mpino avy any amin'ny faritra anjara. Mpino mihoatra ny 50.000 isa no tonga nanotrona izany raha maherin'ny 1.500.000 kosa izy ireo manerana ny Nosy. Vinan'ny Fiangonana Apokalipsy amin'ny 30 taona ho avy ny hitondra ny hazavana manerantany. Efa vita ny teto Madagasikara hoy Pastera Mailhol. Efa rakotry ny Fiangonana Apokalipsy mantsy ny 90%-n'ny Faritra 22. Tanjon'izy ireo ny hahafahana mitory ny filazantsara manerantany mialohan'ny hahatongavan'i Jesoa Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Nanome voninahitra izany fotoana rehetra izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny kolonely Randrianirina Michael izay nanolotra 20 tapitrisa Ar ho an'ireo mitaizakely rehetra eo anivon'ny Fiangonana. Toraka izany koa ireo avy lavitra izay nahazo 20 tapitrisa Ar ihany koa ho solon-tsakafon'izy ireo sy saran-dalana. Tazana teny an-toerana ihany koa ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ireo solombavambahoaka sy Ben'ny tanana maro isan-tsokajiny.
Pati
Légende : Notolorana ny mari-boninahitra Grand officier ny Pastera Mailhol !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.