Faha 20 taonan’ny Gadhona Artistika

Hisy seho an-tsehatra goavana eny amin’ny CC ESCA


  • Talata 05 Aogositra 2025

Fiaraha-niombom-bavaka notanterahina teny amin’ny FJKM Ambohidroa Antehiroka

ny sabotsy 2 aogositra lasa teo no nanamarihana ny faha-20 taona nijoroan’ny Gadhona Artistika, tarika mitory ny filazantsara an-kira amin’ny karazana gadona maroloko. Tsy hatao hiserana fotsiny ity fotoana ity fa hisy ihany koa seho an-tsehatra goavana hotanterahina ao amin’ny CC ESCA Antanimena ny alahady 19 oktobra 2025, hoy ny fanazavàna. Ny Mpitory no vahiny nasaina ifanontrona amin’izany. Hivoaka amin’io fotoana io ihany koa ny rakikira fahaenina. Natao mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izany. Araka ny fanazavan-dRakotoarijaona Julien, manajera sy mpamoron-kiran’ny tarika dia tsy mifidy anaram-piangonana hanaovana asa fitoriana izy ireo fa rehefa tsy mifanohitra amin’ny foto-pinoana nampianarana sy nanabeazana azy ireo dia mety foana ny fiaraha-miasa. Tarika teraka tao amin’ny Fjkm Ambohidroa Antehiroka ny Gadhona Artistika ka izay no antony nanaovana ny fiaraha-miombom-bavaka teny an-toerana. Gospel no niatombohany fa taty aoriana nanao ny gadona rehetra. Anisan’ny angady nanana tamin’ny fananganana izany i Pasitera Barijaona. Hira no tena betsaka amin’ny kanto izay hataon’ny tarika kanefa havanana amin’ny fanaovana «Comédie musical» na tantara an-kira ihany koa. Misehatra amin’ny fanentanana fety aman-danonana maro samihafa koa ny tarika, noho ny ankamaroan’ireo mpikambana efa matihanina amin’izany. Manao asa sosialy ihany koa ny tarika toy ny fiaraha-miasa efa misy amin’ny akany fitaizàna zaza kamboty eny Tangaina Ampitatafika, hoy hatrany i Julien Rakotoarijaona.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT