Finoana

Faha-185 taonan’ny Maritiora Malagasy Hitory teny an-kira ny “Lehilahy Midera Ambatonakanga”


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Ara-tantara, tamin ny 22 Mey 1831 dia nivoaka ny tenin’Andriana nilaza fa azo atao ny Batisa sy ny tandraisana ny Fanasan’ny Tompo, ho an'ny Malagasy, raha toa ka

 voarara izany tao anatin'ny 21 taona niasan'ny Misionera (1820-1831). Ny 5 Jona 1831 no notokanana ho trano Fiangonana ny tao Ambatonakanga izay vita tamin’ny hazo. Ny Alahady 12 Jona 1831 kosa no nijoro ho Fiangonana Protestanta Malagasy voalohany ny mpandray tao Ambatonakanga,... Ny 1 Martsa 1835 anefa dia novoriana ny Ambanilanitra nilazana ny tenin'Andriana fa hajanona tanteraka ny Fivavahana Kristiana sy ny fombany ka tonga voarara izany teto Madagasikara. Nomena iray volana ny mpivavaka hiampanga tena. Rafaravavy Rasalama dia isan’ny nandrafitra ny Fiangonana tao Ambatonakanga, vita batisa tao Ambodinandohalo ny 29 Mey 1831 izy ary noraisina ho mpandray ny 12 jona 1831. Tsy mety nivadika tamin’ny finoana kristiana izy ka dia nosamborina ny zoma 4 Aogositra 1837… Nolefonina teny Ambohipotsy ny 14 aogositra 1837. Ny làlana nizorany dia nampitondrain'ny Fanjakana Malagasy ny anarana hoe Lalantsara Rasalama tamin'ny taona 1987 izay nanamarika ny faha-150 taonan'ny maritiora malagasy. Nony efa holefonina izy dia nivavaka ary nony vita ny vavaka dia nihira ny hira hoe "Hitako ny lalantsara ka hizorako zao".(HIRA FFPM 540), dia nolefonina izy ka dia maty ary tsy mba nalevina. Ho fahatsiarovana izany dia nisy takela- pahatsiarovana iray amin’ny anarany napetraka ao amin ny Chapel Brunswick, any Bristol, Angletera. Feno 185 taona amin'ity taona 2022 ity ny namonoana ny maritiora Malagasy voalohany, ka homarihin' ny Fiangonana Kristiana manontolo. Hampiavaka ny ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny fanompoam-pivavahana handrenesana toriteny an-kira atolotry ny LEHILAHY MIDERA ka iarahany manatontosa amin’ ny Mpitandrina Yvette Rabemila, Filoha mpanampy FJKM (1992-200). Ao anatin' izany no hamoahana boky tantara fahatsiarovana milohateny hoe “Vehivavy malagasy Maritiora” nalaina tamin’ny asa-soratr’i H.A RIDGWELL “Madagascar's girl martyr” (1932), izay nadikan'i Jacques Ramanamirija (2012). Manasa ny rehetra noho izany ny LEHILAHY MIDERA, hiara-miombona amin’izany fahatsiarovana tsingerin-taona lehibe izany ny Alahady 14 Aogositra izao amin'ny 9ora sy sasany maraina, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT