Finoana

Faha 100 taonan’ny Antilin’i Madagasikara Miantso ny firaisan’ny skotisma ny AIM


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Ny 22 martsa 1923 no niorina teto Madagasikara ny AIM na Antilin’i Madagasikara izay skoto Katolika ka mbola “scout de France”

izy tamin’izany, fony naorin’ny mopera Pierre Dumas de Paisac voalohany tao amin’ny katedraly Andohaly, hoy ny fampahafantarana fohy momba izany tetsy Ambatoroka omaly. Ny taona 1957 izy no lasa nahaleotena ho Antilin’I Madagasikara. Mpikambana feno ao amin’ny « Conférence international du scoutisme catholique » na CICS sy ny OMMS na « Organisation mondiale du mouvement scoutisme » ary FSM na Firaisan’ny skotisma eto Madagasikara. Mankalaza ny faha 100 taonany, araka izany, ny AIM manomboka ny 22 martsa 2023 io ka maro, noho izany, ny hetsika atao entina hanamarihana izany izay harindra araka ny fandaharam-potoanan’ny eglizy katolika. Ny tenin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly Katolika ao amin’ny evanjelin’i Masindahy Joany 15: 5b manao hoe « Satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo ». Miantso ny Antily rehetra manerana izao tontolo izao, ny firaisan’ny skotisma eto Madagasikara, izay miantsehatra anaty fanabeazana skoto sahady, noho izany, hoy hatrany izy ireo, mba hiara-hientana amin’izany ary ny any amin’ny diosezy koa mba hanangana ny komity faha 100 taona, araka ny toromarika omena. Miisa 21.000 eo moa ankehitriny ireo mpikambana anaty Antilin’i Madagasikara ary miandahy miambavy, hoy hatrany ny fanazavana, ary hisy koa, mazava ho azy, ny tsangambato ho fahatsiarovana izay fandalovan’ny 100 taona izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT