Finoana

Faha-100 taonan’ny Antilin’i Madagasikara


  • Talata 18 Aprily 2023

Hohamafisina hatrany ny fanabeazana ny tanora

Nitohy tany amin’ny distrikan’i Mananjary ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny fikambanana Antilin’i Madagasikara ny faran’ny herinandro. Lamesa lehibe nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no namaranana izany tao amin’ny diosezin’i Mananjary ka nilazan’ny mompera Pierrot, aumonier eo anivon’ny diosezy fa velona ny fikambanana Antilin’i Madagasikara. Tanora mpino marobe an-jatony no tonga nanotrona izany izay marihina fa mbola voatahiry ao anaty fikambanana hatrany mandraka ankehitriny vokatry ny ezaka hataon’ireo tompon’andraikitra. Manoloana ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny mantsy dia nanambara ity mompera ity fa tsy mora ny manabe ireo tanora. Misy amin’izy ireny mantsy rehefa miha mitombo taona dia miala tsikelikely ao anatin’ny fikambanana koa hangatahiny mafy amin’ireo Ray aman-dReny sy mpanabe maro samihafa ny tokony hanamafisana hatrany ny fanabeazana azy ireny eny fa na dia any an-tokantrano any aza. Tsy nikely sorona fa tonga nanotrona izany fankalazana izany tany Mananjary Ranaivojaona Sylvia izay Reny mpiahy ny fikambanana Antilin’i Madagasikara foibe faha-100 taona. Nambarany nandritra izany fa mitraka sy mifoha hatrany ny fikambanana ary tsy maintsy mahatratra ny tanjona napetraka aminy dia ny fanatsarana sy ny fanabeazana ny tanora Malagasy izany. Nanomboka ny alakamisy 12 aprily teo moa ny fankalazana fa ankoatra ny filaharam-be namakivaky ny tanana dia nisy ihany koa fifaninanana ara-panatanjahantena sy fambolen-kazo nandraisan’ireo tanora mpikambana anjara.
Pati
Legende : Nandritra ny fankalazana natao tany amin’ny distrikan’i Mananjary ny faran’ny herinandro teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT