Finoana

F5 – FJKM andiany faharoa Fahombiazana tanteraka


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Isan-taona no hanatanterahana ny hetsika F5 ho an`ny FJKM ka andiany faharoa ny sabotsy lasa teo.

 

Ny hetsika F5 dia fanomezam-boninahitra an`Andriamanitra. Mizara dimy ny fotokevi-dehibe. Ny F voalohany (F1)  dia ny fitoriana ny filazantsara. Ny F2 dia ny fitoriana ny filazantsara an-kira. Ny F3 dia ny fitsaboana sy fahasalamana. Ny F4 dia ny fanatanjahantena. Ny F5 farany dia ny fiarahana misakafo sy fiarahana mifaly. Araka ny nambaran`ny Pastera Radimison Jonah, sekretera jeneralin`ny FJKM, ny fitoriana ny filazantsara no tena ivon’ity hetsika ity. Fikarakarana ny ara-nofo amin`ny alalan`ny fahasalamana maro samihafa sy ny fanatanjahantena, hoy ihany izy. Amin`ny maha hetsika F5 azy ity dia nisy tranoheva nizaham-pahasalamana maimaimpoana. Nisy ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra sy ny fampisehoana sora-dihy sy ny fitoriana filazantsara an-kira.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT