EXO ho avy eto Madagasikara

Hitory filazantsara no sady hampianatra


  • Zoma 25 Aprily 2025

Ho avy eto Madagasikara ny tarika mpitory ny filazantsara EXO ny 28 Aprily 2025

ho avy izao ary hanatanteraka seho fitoriana miisa 3 izy ireo. Ny 2 amin'izany dia eto Antananarivo : CCI Ivato sy Antsahamanitra, ny iray kosa dia any Toamasina. Niforona tamin'ny taona 1989 ny tarika , izay misy an'i Chris sy i Laura Christensen. Thierry ary i Thierry Ostrini. "EXO" amin'ny teny grika izay midika hoe "ivelany" no anarana nentiny satria tsy mijanona anaty rindrin'efatry ny fiangonana ny fitoriana ny filazantsara fa any ivelany sy eny rehetra eny ihany koa. Raha tsiahivina dia efa nandalo teto Madagasikara ny tarika ny taona 2018, ary nanao fitoriana teto Antananarivo sy Toamasina ihany koa. Fa amin'ity indray mandeha ity, ankoatry ny fampisehoana dia hisy ihany koa ny fampianarana an'ireo olona mpitarika fiderana na "atelier pour les leaders de louanges" izay hotanterahin'izy ireo ny 02 mey 2025 ho avy izao ao amin'ny Havoria Anosy.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT