Evekan’Antsirabe

> Tohina mafy


  • Sabotsy 30 Novambra 2013

Namoaka fanambarana amin’ny anaran’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara ny Evekan’Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana ny alarobia 27 novambra lasa teo.

Naverimberina natetika tao amin’ny onjam-peon’ny Radio Katolika izany ny alakamisy 28 sy zoma 29 novambra manoloana ny fielezan’ny feo tao Antsirabe taorian’ny fandalovan’ingahy Ratsirahonana Norbert Lala tao an-toerana ny alahady 24 novambra teo namoriany ireo tompon’andraiki-panjakana tao amin’ny “Centre DIANTANA”. Nahitsy ny fanambarana navoakan’ny Monsenera Philippe Ranaivomanana fa «tsaho tsy marim-pototra ny filazana fa ny Evekan’i Madagasikara dia nanapa-kevitra fa ny katolika rehetra eto Madagasikara dia tsy maintsy mifidy ny kandidà izao na izatsy». Misy ny misoloky hampandany ny kandidàny amin’ny fampiasana ny fiangonana, hoy ny Eveka. Nohamafisiny fa vao avy nivory izy ireo ary tsy nisy fanambarana momba izany ny fanapahan-kevitra nivoaka tao. Koa miangavy ny kristianina rehetra ny tenany mba ho mailo ka tsy hivarotra ny safidiny sy ny eritreriny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho avy io fa hisafidy an-kalalahana rehefa mandatsa-bato. Tsy tongatonga ho azy ity fanambarana nataon’ny Evekan’Antsirabe tamin’ny anaran’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara ity fa tao raha. Efa naely tao Antsirabe sy Vakinankaratra mihitsy izay resaka izay fa nahazo ny fankatoavan’ny Fivondronamben’ny Eveka katolika ny kandidà filoham-pirenena iray ka tsy tokony hatahotra intsony ny vahoaka. Ny mahagaga dia tompon’andraikitra ambony mihitsy no minia manely izany tsaho izany mba handresen-dahatra fa misy kandidà tsy maintsy atao izay hahalany azy. Tampina aloha ny daomy ho an’ireo nanantena ny tohan’ny fiangonana katolika nivantana hatreto raha ity fanambarana ity. Tokony ho menatra ireo efa nanely ity resaka ity satria mety ho simba hatramin’ny fifandraisany amin’ny Evekan’Antsirabe izany. Sa tena efa may Ambondrona e ?

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT