Etiopia

Fiangonana miisa 84 no nanova ny anarany ho Shincheonji


  • Zoma 19 Septambra 2025

Fiangonana 84 ao amin’ny tanàna folo any Etiopia no nanolo

ny famantarana ny fiangonany ho Shincheonji Fiangonan’i Jesosy, nyTempolin’ny Tabernakelin’ny Vavolombelona (Filohan’i Man-hee Lee, izayantsoina avy eo hoe Fiangonan’i Jesosy Shincheonji), hoy io Fiangonana io izay efa manana rantsana eto. Tamin'ny 10 Septambra, ny Fokon’i Peteraan’i Shincheonji dia nanao "Lanonana fanaovan-tsonia ho an'ny fanovana anarana ny Fiangonana Etiopiana 84". Nandritra ny lanonana, lasa mpikambana tao amin’i Shincheonji Fiangonan’i Jesosy ireo mpitandrina fiangonana 84 ary nianiana hitory ny tenin’ny Fanekena Vaovao, ny Bokin’ny Fanambarana, ary hiray hina eo ambanin’ny “Tenin’ny Fanambarana”, hoy ny fampitam-baovao. Io zava-bita io dia niainga avy amin’ny pasitera Asefa Angheto (Filohan’ny Fikambanan’ny Fiangonana Misgana), izay nanatrika ny “Famelabelarana manokana iraisam-pirenena momba ny Fanambarana faha-2” natao tao amin’ny Fiangonana Shincheonji any Cheongju ny volana novambra lasa teo, raha ny fanamarihana. Niverina tany Etiopia izy avy eo ary nanohy nanao seminera ho an’ny fiangonana teo an-toerana. Namafisina, fa heverina ho zava-bita manan-danja ity fanovàna anarana ity, mihoatra ny fanovana anarana tsotra mankany amin'ny fanovana mifototra amin'ny teny manerana ny vondrom-piangonana Etiopiana. Tamin’io fahatsiarovana io, nanome toky ireo mpitarika ara-pivavahana nisolo tena ny fiangonana 84 hoe: “Hanaparitaka manerana an’i Etiopia ny tenin’ny Fanambarana, ary samy hiezaka hanaraka ny fahamarinana sy hanompo ny Teny amin’ny zotom-po na ny mpitarika na ny mpikambana”. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray avy amin’ny Fokon’i Petera avy any Shincheonji hoe: “Amin’izaofotoanaizao, dia misy pasitera 181 any Etiopia mianatra ny Teny nambara ao amin’ny Fiangonan’iJesosy Shincheonji. Hiely eran-tany isika fa efa tanteraka ankehitriny ny faminanian’ny Fanambarana ary miezaka ny hampiray ny fiangonana maneran-tany ao amin’nyTeny. »
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT