Finoana

Eklesia Episkopaly Malagasy Toamasina Mpiasam-piangonana 80 nofanin’ny CNaPS


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Mpiasam-piangonanana 80 avy amin’ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EMM) Diosezy Toamasina no nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS ny herinandro lasa teo.

 

  Fiofanana izay notanterahina tao amin’ny Katedraly EEM Santa Jakoba.  Mpandray anjara 3 avy no nisolotena ireo paroasy 30 ao anatin’ny Diosezin’i Toamasina, izay tarihin’ny Monsenera Solo Jean Paul, Evekan’ny diosezin’ny EEM Toamasina. Fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina teo amin’ny filohan’ny EEM Monseigneur  Ranarivelo Samoela Jaona sy ny tale jeneralin’ny CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul io fiofanana io. Tonga nanome voninahitra ny fiofanana ny Révérend Ralambomanana Jocelyn, tonian’ny EMM foibe sy ireo iraky ny tale jeneralin’ny CNaPS notarihin-dRandrianjanaka Daniel, « Fondé du Pouvoir » eo anivon’ny CNaPS foibe.  Ity farany izay nandray anjara tamin’ny fampiofanana ka nampianatra ireo mpiofana ny asan’ny CNaPS sy ny fepetra ahazoana fiahiana ara-tsosialy. Ankoatra ireo dia noresahina ihany koa ny fanampiana ny fianakaviana, ny loza am-perinasa sy ny aretina azo avy amin’ny asa ary ny fisotroan-dronono. Nohazavaina tamin’ny mpiofana ny famaritana ny antsoina hoe : loza am-perinasa sy ny fiahiana ara-tsosialy mifandraika amin’izany, ao ny solon-takaitra sy ny saram-pitsaboana. Teo ihany koa ny fisotroan-dronono sy ny fepetra ahazoana izany. Tsy natao ambanin-javatra ny fampiofanana mikasika ny didy aman-dalàna mifehy ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT