Finoana

EKAR Md Josefa Mahamasina Niavaka ny fankalazana ny fetin’i Kristy Mpanjaka


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Notanterahana omaly alahady 25 novambra teny amin’ny Ekar Md Josefa Mahamasina ny Fetin’i Kristy Mpanjaka.

 

 

 Niavaka ny omaly satria fotoana iray namoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikabary  9 mianadahy andiany Olon-tsambatra Ramose Lucien Botovasoa izay nofanin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Katolika. “Andrianiko ny  teniko satria hitoriako ny vaovao mahafaly” no lohahevitra nosafidian’izy ireo, mampifandray ny fomba mampiavaka ny Malagasy amin’ny alalan’ny kabary sy ny asa fitoriana amin’ny maha kristianina azy ireo.Nisy ny fitsofan-drano azy ireo sy fitsofan-drano ihany koa  ny sampana APV eo anivon’ny Ekar Md Josefa Mahamasina, hetsika izay tafiditra hatrany ao anatin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny Fiangonana. Taorian’izay dia nisy ihany koa fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireto mpikabary vaovao ireto. Feno hipoka tanteraka ny fiangonana io omaly io.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT