Finoana

Ekar Md Josefa Mahamasina Niarahaba ireo pretra efatra ny fiangonana


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao 2019 izao, dia faly niarahaba an’ireo pretra efatra mirahalahy mianaka, omaly alahady 6 janoary, ireo mpino katolika ao amin`ny fiangonana Ekar Md Josefa etsy Mahamasina.

 

 

Nirary soa ho an`ireo  Père aumonier district, Père curè ary  Père vicaire, indrindra moa amin’ny andraikitra maro izay sahaniny izy ireo, izay notarihan`ny distrika Mahamasina sy fikambanana isan-karazany. Araka ny nambaran`ny pretra tamin`ny toriteny dia ireto avy ny fety lehibe telo taorian`ny nahaterahan`ny Kristy. Fetin`ny fianakaviana masina, Fetin`ny Epifania ary fankalazana fanaovana batemy ny Tompo. Omaly rahateo no nankalazaina ny fetin`ny EPIFANIA, izay fisehoan`Andriamanitra ankarihary manambara ny tenany amin`ny alalan`ny vetsovetson`ny zanany tonga nofo. Marihina fa efa mandroso ny asa fanamboarana ny fiangonana izay tsangambato faha-150 taonan`ny Ekar Md Josefa etsy Mahamasina.

 

Marigny A.

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT