Finoana

Ekar MD Josefa Mahamasina Nankalaza ny jobily volafotsin’ny Mompera Patrick


  • Zoma 02 Novambra 2018

Fotoan-dehibe roa sosona no notanterahana teny amin’ny Ekar MD Josefa Mahamasina omaly alahady nandritra ny fankalazana ny fetin’ny olomasina rehetra,

 

 

voalohany dia ny fametrahana ny Relique n’i Md Vincent Ferrier ho eo amin’ny Otely ; ara-tantara dia mpiaro ireo mpanorina trano tafo I Md Vincent Perrier, ny 20 jona 1455 no nambaran’ny Papa Ray Masiina Callixt III ny maha Olomasina azy.Nitety firenena maro tany Eoropa izy ary nampianatra; nahatarika jiosy efa ho 30 000 nivadika ho Krtistianina izy. Faharoa dia ny fankalazana ny jaobily volafotsy n any faha 25 taona naha pretra ny Mompera Patrick, izay zanaky ny Fiangonana moa.Any Soisa no miasa ny Mompera Patrick efa ho 20 taona izao raha toa ka teo anivon’ny Ekar Md Josefa kosa no nisy azy tamin’ireo 5 taona niasany teto Madagasikara.Mandalo isan-taona aty an-tanindrazana ihany anefa izy ary nohararaotina tamin’ny fandalovany tamin’ity taona ity ny fankalazana ny jaobily volafotsy. Tsara ho marihana fa ao anatin’ny fankalazana ny jobily faha 150 taona nijoroany ihany koa ny Ekar MD Josefa etsy Mahamasina amin’izao fotoana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT