Finoana

Ekar Md Josefa Mahamasina Nankalaza jobily roa sosona


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Omaly alahady 30 desambra 2018 dia jobily roa sosona no nankalazaina tao amin`ny Ekar Md Josefa etsy Mahamasina.

 

 Tao ny fankalazana ny jobily faha-35 taona ny FIkambanana Tanora Kristianina Avaratr’i Mahamasina (FTKAM) izay tarihan`ny filohany, Rakotoarimanana Solonianina, tamin`ny lamesa voalohany tamin`ny 6ora sasany, izay ahitana mpikambana miisa 26. Ny lamesa faharoa izay niditra tamin`ny 9 ora dia nentina nankalazaina ny jobily faha-35 taona  ny FIFAKRI. Ny taona 1981 no niandohan`ny FIFAKRI ka  ny mompera “cure” teo Mahamasina nanendry ny filohan`ny filankevitra telo teo anivon`ny fikambanana saingy ny roa nitsoaka an-daharana. Niezaka ny filoha tamin`izany nanohy ny asa ka nitsangana ofisialy ny taona 1983 ka ny “couple” Jean Emile sy Therese, Monika sy Boniface no voalohany. Nitombo tsikelikely ny “couple”FIFAKRI ka telo no am-perinasa fa ny telo kosa dia mananontena. Marihina fa nisy mariazy miara-mizotra “couples 6” ny 23 desambra lasa teo. Amin`ny alahady ho avy izao no hanatanteraka ny  fiarahabana nahatratra ny taona an`ireo pretra telo mirahalahy ny fiangonana Ekar Md Josefa etsy Mahamasina

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT