Finoana

EKAR Md Josefa Mahamasina Miatrika fotoan-dehibe 3 tamin’ity volana desambra ity


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

.Fotoan-dehibe 3 sosona no natrehan’ny Ekar Md Josefa Mahamasina tamin’ity volana desambra 2018 ity.

 

 

 

Tao ny jaobily faha-45 taona naha pretra an-dRakotomahefa Pierre Martial ny 9 desambra lasa teo ka nisy ny fanolorana jaky sy ny fifampiarahabana. Efa niasa tany ivelany nandritra ny 14 taona ny Mompera Pierre Martial ary nahavita be teto Madagasikara ihany koa. Omaly alahady indray dia nisy ny fanaovana batemy azy 68 mianadahy. Fantatra ihany koa fa mbola hisy fotoan-dehibe amin’ny alahady 23 desambra ho avy izao dia ny mariazy miara-mizotra. Ao anatin’ny fanitarana ny fiangonana koa amin’izao ny Ekar Md Josefa Mahamasina ka tombanana hotontosaina ny asa rehetra amin’ny faran’ny volana janoary 2019.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT