Finoana

EKAR Md Joany Batista dépôt Analakininina Vonona ny 520 tapitrisa Ar hanitarana azy


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Nankalaza ny “famindrampon’Andriamanitra” izay fankalazan’ny fiangonana katolika ny alahady faharoa manaraka ny paska araka ny fanapahana noraisin’ny papa joany paoly II, ny fiangonana katolika Md joany batista depot analakininina omaly alahady.

 


 

Nosafidiana manokana ny Ekar joany batista ity nankalazana izany noho izy mitahiry ny singa sisa fahatsiarovana (réliques) ny papa joany paoly II sy an’i Mb Faustine. Ity farany anefa no tena nahatonga ilay fankalazana. Fotoana fibebahana, fotoana fifonana, fotoana fanampiana ny hafa no atao mandritra ny fankalazana. Izany no noraisina araka ny finoana katolika mba hahatsiarovana ny finoana teo amin’ny apostoly Thomas, izay tsy nino raha tsy nahita ny fitsanganan-ko velona teo amin’i Jesoa Kristy. Izay no nahatonga ny hafatry ny fiangonana Ekar depot Analakininina nilaza fa mila ny famindrampon’Andriamanitra ny firenentsika sy ny Malagasy, amin’izao zava-manjo azy sy ny toerana misy antsika izao. An-kilan’izay dia nisy ny fanangonam-bola natao entina hanitarana ny fiangonana, ka araka ny fanazavana nomen’i Dr Rakotomalala Hary dia efa vonona ny vola 520 tapitrisa ariary saingy tsy ampy 104 tapitrisa ariary, ka izany no nanaovana raki-pisaorana noho ny “famindram-pon’Andriamanitra” natao entina hanangonana ny vola sisa. Nitarika ny lanonana ny mompera vikera jeneralin’ny arsevekan’i Toamasina, niatrika izany koa ny depioten’i Toamasina I.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT