Finoana

EKAR Masindahy Josefa Mahamasina Namarana ny fankalazana ny jobily faha-150 taonany


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Nifarana ny sabotsy teo rehefa naharitra roa taona latsaka ny fankalazana ny jobily faha-150 taonan’ny Ekar Masindahy Josefa Mahamasina rehefa nanomboka ny 14 martsa taona 2017.

 

 

 

 Fotoam-pivavahana lehibe nentina nitondrana am-bavaka ny firenena sy ny mpino tsy an-kanavaka notarihin’ny Mgr Odon Marie Arsene Razanakolona filohan’ny diosezin’Antananarivo no nisantarana izany. Nitohy tamin’ny fanokanana fotodrafitrasa maro sosona ny lanonana ka anisan’ireny ny salle d’oeuvre, ny hotely masina, ny tsangambaton’ny frera Raphael Louis Rafiringa noho izy natao batemy teo anivon’ny fiangonana katolika iray ity… Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny lanonana. Asa miandry ny fiangonana indray moa ankehitriny, raha araka ny mompera Randriamparany Rijaniaina, ny fitondrana am-bavaka ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano ary ny firenena iray manontolo mihitsy ka hahatonga ireo mpino ao aminy ho tonga hivavaka isan’alahady. Hatreto mantsy dia efa mahatratra 14.000 ireo vita batemy teo anivon’ny fiangonana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT