Finoana

EKAR Andraikiba Mitohy ny fanohanana ireo mpianatra


  • Talata 19 Mey 2015

Mitohy ny ezaka fanohanana ireo mpianatra ao amin’ny Ekar Distrikan’Andraikiba, sahanin’ny fikambanan-dry Frera Fransiskanina any an-toerana. Ny Zoma 15 Mey lasa teo dia mpianatra manodidina ny 1.000 teo ho eo

 

 indray no nisitraka ny fanampiana ara-tsakafo nataon-dry Frera, tahin’i Frera Fidelis. Nambarany fa ny mpiantra no hoavin’ny firenena ary ho fankaherezana sy fanampiana ireo ankizy sahirana no anton’ny hetsika fanohanana izao. Andiany fahatelo ity natao ity ary nanome voninahitra ny fotoana ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, izay Ray mpiahy ny Dispansera Andraikiba hatramin’izay. Nambarany fa ankoatra ny fanampiana ireo mpianatra dia endrika fampianarana ireo ankizy sahady mba hahay hifanampy sy hifanohana ihany koa no atao. Nentaniny ny mpianatra mba ho tia fianarana ka ho tafita mba hanampy ny hafa ihany koa.

 Caïus Raharison


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT