Finoana

“Eid Al-Fitr” fetin’ny Silamo Tsy hiasana kanefa handraisan-karama ny 2 may


  • Zoma 29 Aprily 2022

Natao ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny alatsinainy 2 may 2022, fetin'ny Eid Al-Fitr, araka ny fampahafantarana mitondra ny laharana N°56 MTEFPLS/SG//DGTLS/2022 nataon'ny minisiteran'ny Asa,

ny Fampanana'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy omaly 28 aprily 2022. Ho fanamafisana ny andininy faha-2 amin’ny didim-panjakana 2022-002 tamin’ny 5 janoary 2022 mamaritra ny andro tsy hiasana nefa handraisan-karama ho an’ity taona ity io, ka anisan’izany ny “Eid Al-Fitr” izay famaranana ny ramadany sy ny “Eid Al Adha”, araka ny tetiandro nofaritan’ny mpino silamo. Miankina tanteraka amin’ny Fikambanana Silamo Malagasy kosa ny famaritana ny andro sy ny daty. Efa nisy kosa anefa ny taratasy 02/FSM/BN/PR/2022 izay nataon’ny Filohan’ny Fikambanana Silamo Malagasy, mamaritra sy manamafy fa ny 2 may no andron’ny Eid Al-Fitr. Izany indrindra no namoahan’ny Fanjakana fa andro tsy hiasana kanefa handraisan-karama ho an’ny eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara io 2 may io ho fanajana ny fanamarihan’ny mpino silamo izany.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT