Finoana

“Eid al-fitr” an’ny mpino Silamo Andro tsy hiasana fa handraisan-karama ny 4 jona izao


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Araka ny tapaka tamin'ny filankevitry ny governemanta tamin'ny fiandohan'ny taona, dia andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny 4 jona 2019.

 

 

Io ilay antsoina hoe “Eid al-fitr”, fetin'ny finoana silamo saingy tahaka ny fety kristianina toy ny noely, paka na pantekosta izay natao tsy hiasana ho an'ny olom-pirenena rehetra dia tsy hiasana koa ny fety silamo mba tsy hisian’ny fanavakavahana. Ho an'ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka, na ireo manaraka ny finoana silamo na tsia izy io, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Raha ny fikaroham-baovao, maromaro ny andro nangatahan’ireo mpanaraka ny foto-pinoana silamo mba hatokana ho andro tsy hiasana fa handraisan-karama. Io aloha no nahazo fankatoavana sy neken’ny fitondram-panjakana hatreto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT