Finoana

« Eid Al-adha » fetin’ny silamo Andro tsy fisana ny sabotsy 09 jolay


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Nisy omaly ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy mitondra ny laharana 074//MTEFPLS/DGTLS/2022 manamafy ny maha andro tsy hiasana kanefa

 handraisan-karama ny andron’ny sabotsy 09 jolay 2022 izao, noho izy andro natokan’ny mpino silamo hanamarihany ny «Eid al-adha », izay fetin’izy ireo. Notsiahivin fa araka ny andininy faha-2 ao amin'ny Didim-panjakana laharana faha 2022-002 tamin'ny 05 Janoary 2022 mamaritra ny lisitry ny andro tsy hiasana nefa andraisan-karama, ho amin'ny taona 2022 dia nohafamafisina sy nambara fa tsy hiasana nefa andraisan-karama ireo andro voatondro ho « Eid Al-Fitr » sy « Eid Al Adha », araka ny tetiandro nofaritan'ny Fikambanamben'ny Silamo. Ka noho izany, ny famaritana ireo daty mifandraika amin'ireo dia andraikitr’izany FIkambanambe izany feno. Araka ny voalazan'ireo taratasy laharana faha 02/FSM/BN/PR/2022 sy laharana faha 24/FSM/BN/2022 kosa, izay nataon'ny Filohan'ny Fikambanana « Fikambanana Silamo Malagasy izay mamaritra sy manamafy fa ny datin'ny 09 Jolay 2022 dia noraiketina ho andron'ny Eid Al-Adha io, ka nanambarana omaly 06 jolay fa ny andron'ny 09 Jolay 2022, fetin'ny Eid Al-Adha dia natao andro tsy fiasana nefa andraisan-karama, manerana ny tanin'ny Repoblikan'1 Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao ofisialy.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT