EID AL ADHA-ASSOCIATION AHMADIYYA

Olona an’aliny no nozaraina hena omaly Nomarihina


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

omaly Alahady 16 Jona ny fetin’ny Eid Al Adha ho an’ireo mpino Slamo maneran-tany.

Ho an’ny Association Musilmane Ahmadiyya etsy Andavamamba manokana dia olona an’aliny no nozarainy hen’omby maimaim-poana omaly izay tontaliana ho 1 kg isan’olona eo ho eo. Ho an’ny tetsy amin’ny foibeny Andavamamba fotsiny dia olona miisa 6000 no nahazo tombontsoa tamin’izany raha araka ny fanazavan’ny Misionera Mousah, miasa eo anivon’ny Fikambanana. Ankoatra ireo kamboty sy mananontena dia nojerena manokana tamin’izany koa ireo olona sahirana sy manana fahasembanana. Omby miisa 26 no novonoina natao nofon-kena mitam-pihavanana tamin’izany. Omby miisa 7 kosa no novonoina tany Andoharanofotsy raha toraka izay ihany koa ny tetsy amin’ny Filatex Ankadimbahoaka. Ny Eid Al Adha moa raha tsiahivina ho an’ireo mpino Slamo dia fotoan-dehibe iray hahatsiarovana ny nanaovan’ny Mpaminany Abrahama sorona ny zanany lahimatoa Ismael ho an’i Allah. Ho an’ny Kristiana kosa dia Isaka io natao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’io fotoana io. Navadika ho ondry izany tamin’izany fotoana, fomba iray mbola tohizan’ireo mpino Slamo mandraka ankehitriny ka anisan’izany ny Association Musulmane.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny hena ho an’ny vahoaka tetsy Andavamamba !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT