Finoana

Eglizy Rhema eto Madagasikara Miantso ny Malagasy hiala amin’ny ratsy fanao


  • Talata 08 Jolay 2014

Nandritra ny fihaonambem-paritry ny Eglizy Rhema notanterahina tao Ambositra ny alahady 06 jolay lasa teo, no nanazavan’ny Apotre Randriarimandimby Michel, filohan’ny Eglizy Rhema eto Madagasikara fa mila manatona ny fahazavana (Kristy) ny vahoaka Malagasy..........

, tsy maintsy miova toe-tsaina ary manaraka ny fahamarinana ka miala amin’ny ratsy fanao. Niompana tamin’ny fanaovana jery todika ahafahana mibanjina ny ho avy momba ny fitaran’ny asan’Andriamanitra ity fihaonambe fanao isan-taona ity. Nisy koa fanokanana mpanompon’Andriamanitra nahavita fiofanana miisa 9 mianadahy notokanana tamin’io fotoana io. Tonga nanome voninahitra ireo manampahefana ao Amoron’i Mania notarihin’ny lehiben’ny Faritra. Mahatratra 3.000 ny mpino Rhema ao Amoron’i Mania, ny 600 amin’ireo ao Antanamahalana (Ambositra) raha 47 kosa ny fiangonana entin’ny mpitandrina 85. Ny mpitandrina Rakotozandry Naivoson no misahana ny fiangonana Rhema ao Ambositra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT