Finoana

Eglizy Katolika Voatendry ho Kardinaly ny Mgr Désiré Tsarahazana


  • Talata 22 Mey 2018

Nanendry kardinaly vaovao miisa 14 ny Papa François nandritry ny fankalazana ny “Anjelisy” na ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly ny alahady 20 mey 2018 teo tao Vatican, ka anisan’ny nahazo i Madagasikara.

 Voatendry ho kardinaly vaovao eto Madagasikara ny Mgr Désiré Tsarahazana, Arsekevakan’i Toamasina sady filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, taorian’ny fodiamandrin’ny Mgr Armand Gaetan Razafindratandra ny 09 janoary 2010, izany hoe 8 taona aty aoriana vao nisy ny solony. Teraka ny 13 jona 1955 tao Besahona Antindra (Sambava), any Antsiranana ity kardinaly vaovao ity. Raha ny tantarany sy ny andraikitra nosahaniny teo amin’ny fiangonana katolika, dia niditra tao amin'ny semineran'i Mahajanga izy tamin'ny 1970-1976. Nanohy ny fampiofanana azy tao Diego ny taona 1976-1978. Tamin'ny taona 1979-1982, dia nanohy ny fianarany sy ny fampiofanana filozofia taty Antananarivo, ary ny nandalina ny teolojia kosa tamin'ny 1983-1986. Nandray ny laharana maha diakra tao Andapa tamin'ny 15 aogositra 1985 ary nohamasinina ho Pretra tamin'ny 28 oktobra 1986 tao Amboangibe. Izy no vikera tao Mananara-Avaratra tamin'ny taona 1987 - 1990 ary lasa mpanabe tao amin’ny Seminera tao Antsiranana. Notendrena ho Evekan'i Fenoarivo Atsinanana tamin'ny 30 novambra 2000 ary napetraka tamin'ny 18 novambra 2001. Notendrena ho evekan'ny diosezin'i Toamasina tamin'ny 24 novambra 2008, ary nanomboka nitarika tamin'ny fomba ofisialy izany ny  01 febroary 2009. Voatendry ho Arsevekan’i Toamasina kosa tamin'ny 26 febroary 2010. Ny teny fanevany moa dia "mandresy ny ratsy amin'ny tsara" (Rom 12,21). Somary miteraka adihevitra sy mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao kosa hoe nahoana no tsy ny Arsevekan’Antananarivo Odon Marie Arsène Razanakolona no lasa kardinaly ? Raha ny tamin’ny andron’ny Kardinaly Victor Razafimahatratra, izay voatendry tamin’izany toerana izany ny taona 1976, dia Arsevekan’Antananarivo izy no lasa Kardinaly. Toraka izany koa ny Mgr Armand Gaetan Razafindratandra taty aoriana. Fanapahan-kevitra avy any amin’ny Papa Ray Masina ny fanendrena ho kardinaly, ary misy ny fanadihadiana lalina lehibe. Mety misy rohy amin’ny raharaha politika eto amin’ny firenena sy ny fifandraisany amin’ny fiangonana izy io. Ny Kardinaly Désiré Tsarahazana no handray ny toeran’ny Arsevekan’Antananarivo ao anatin’ny FFKM raha lojika. Tsy ny raharaham-piangonana ihany no miandry azy fa eo ihany koa ny raharaham-pirenena. Efa somary hentitra amin’io izy raha ny fahitana azy fony Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka. Ny hirariana dia hitondra aim-bao ho an’ny Malagasy fa tsy ny katolika fotsiny ny fahazoana ity Kardinaly vaovao ity.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT