Finoana

Eglizy Katolika Rômana Nanipy “gant” ny Papa Benoît XVI


  • Talata 12 Febroary 2013

Nanambara ofisialy ny Papa Benoît XVI omaly fa hametra-pialana ny tenany ny 28 febroary 2013 ho avy izao.

 Araka ny fanazavany dia tsy afaka mitondra ny eglizy katolika rômana intsony ny tenany noho ny heriny sy ny taonany izay efa mandroso. Marihina fa hankalaza ny faha-86 taonany ny Papa ny 16 aprily ho avy izao. Ny 19 aprily 2005 moa no nandanian’ny Katolika azy hitondra ny Eglizy, nandimby ny papa Joany Paoly II, rehefa nodimandry ity farany. Nanaitra ireo mpino katolika maneran-tany, miisa 1,2 miliara, eny hatramin’ireo mpanolotsaina manokany akaiky aza, izao fanapahan-kevitry ny Papa Benoît XVI izao.

Manantena ny Eglizy fa tokony ho fantatra aorian’ny “conclave” na fivoriana mihiboka, mihidy aman-trano hataon’ireo kardinaly latsaky 80 taona, miisa 120 raha be indrindra, mandritry ny herinandro masina, hanomboka ny 24 martsa, izay handimby ny Ray Masina. Ny Papa Benoît XVI, tsiahivina ihany, no dimbin’i Piera faha-265, ary papa teratany alemana voalohany hatramin’ny taon-jato faha-11. Aorian’ny fitsaharany amin’ny asany dia hihazo ny fonenan’ireo Papa ao amin’ny Résidence d’Eté any Castel Gandolfo ny Papa Benoît XVI avy eo dia hitokana any amina monastera ao Rôma ny tenany. Araka ny filazan’ireo manodidina azy dia nanaitra azy ireo izao fanapahan-kevitry ny Papa izao, eny fa na dia efa nahatsikaritra aza izy ireo fa nihena tokoa ny hery na ara-batana na ara-tsain’ny Ray Masina.

Fanapahan-keviny manokana, tao anatin’ny fahalalahana tanteraka ka mendrika hohajaina, hoy ihany ireo tena akaiky ny kardinaly Joseph Alois Ratzinger, f’izay no tena anarany. Tsy misy hifandraisany amin’ireo savorovoro sy olana anatin’ny katolika, toy ny fivoahan’ny tsiambaratelo tao Vatikana, ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ataona pretra, … nosedrainy akory izany, raha ny fanazavana ihany. Araka ny lalàna dia tsy handray anjara amin’ny “conclave” hifidianana izay handimby azy ny Papa Benoît XVI. Any amin’ny faran’ny volana martsa ny no hamantarana izay anarana izay. Ny Papa Grégoire XII (Bartolomeo Alberto) tamin’ny 1415 no nanao izao farany, 600 taona lasa izay.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT