Eglizy Katolika

Miomana hankalaza ny taon-jobily 2025


  • Zoma 26 Janoary 2024

Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny taon-jobily 2025

ankehitriny ny Eglizy Katolika, hoy ny fampahafantarana niainga avy etsy amin’ny Episcopat Antanimena omaly. “Mpivahinin’ny fanantenana” na “Peregrinantes in Spem” no teny filamatra ao anatin’izany, hoy ny fanazavana. Ara-tantara dia ny Papa Boniface VIII no niantso ny fankalazana ny taon-jobily ary tontosa voalohany izany ny taona 1300 ka natao isaky ny 100 taona. Hafatry ny Papa Fransoa ny hoe manana adidy hamelona ny fanantenan’izao tontolo izao indray ny fiangonana taorian’ireny sedra mafy nandalovana tanaty vanim-potoanan’ny COVID 19 ireny ka antony nifidianany ny teny filamatra voalaza teo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT