EGLIZY KARISMATIKA FIAINAMBAOVAO

Nomarihina omaly ny fijoroany ara-panjakana


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Ny 8 désambra 2023 no nahazo ny taratasy manamarina ny fijoroany eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara

ny fikambanam-pivavahana "Église Charismatique Fiainambaovao". Valo volana aty aoriana, fotoam-bavaka manetriketrika no nentin'izy ireo niderana an'Andriamanitra sy nankalazana izany fijoroana ara-panjakana izany izay notanterahina tetsy amin'ny efitrano malalaky ny Cemes Soanierana omaly Alahady 09 Jona tontolo andro. Tamin'io fotoam-bavaka omaly maraina io koa no nanolorana tamim-pomba ofisialy ireo mpikambana eo anivon'ny Filankevi-pitantanana miisa 8 mianadahy izay tarihin'ny filohany, ny Mpitandrina Razafindratsimba Louis François. Namaky ny didim-panjakana nahazoan'izy ireo alalana hijoro sy nanolotra ireo mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana ny Ben'ny tanana lefitra ao amin'ny kaominina Tanjombato misy ny foiben-toeran'ny Eglizy karismatika Fiainambaovao. Miasa ho amin'ny mahaolona manontolo ny Eglizy karismatika Fiainambaovao fa tsy mitory teny ho an'ny fanahy fotsiny ihany. Izany hoe : sady miasa ho amin'ny vatana sy saina, antony nananganana ny sampan'asa fampandrosoana eo anivony ka hanetsehana sy hamelomana ny talentan'ny mpino tsirairay mba ho fanoitra hampivoatra ny fiainan'izy tompony aloha fa hisy fiantraikany eo amin'ny mpiara-mivavaka sy ny fiangonana iray manontolo ary ny Firenena. Mba tsy hisy intsony ny handevin-talenta fa hampiasa sy hampiroborobo izany ka hiteraka fihatsarana eo amin'ny mahaolona manontolo. Niafara tamin'ny fanamasinana Mpitandrina vaovao miisa telo Moa ny fotoam-bavaka omaly maraina ary ny hariva kosa dia noravahan'ireo mpanan-talenta an-kira ny fotoana ka tarika evanjelika maromaro no nanafana izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoam-pivavahana notanterahina omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT