Finoana

Eglizy evangelika Shine Hanatanteraka vavaka fanafahana ho an’ny olon-drehetra


  • Zoma 08 Mey 2015

Hanatanteraka vavaka fanafahana lehibe ho an’ny mpiray tanindrazana ny Eglizy evangelika shine ny alahady 10 mey ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Iraka efa nampanaovin’Andriamanitra an’i Bishop Patrick Andrianarivo mivady izany, araka ny tafa nifanaovany tamin’ny

 

mpanao gazety omaly, nanomboka ny taona 2014 mba hanala ny olona amin’ny fampahorian’ny haizina ary hanangana azy ho amin’ny voninahitra amin’ny fampianarana azy ny zava-miafin’ny tenin’Andriamanitra. Mandritra ny tontolo andro no hanaovana io fotoam-bavaka io, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina maharitra ora roa hatrany hatrany. Hisy ny fiara hitatitra amin’ny sarany 200 Ar mandroso, raha toraka izay koa ny miverina manerana ireo faritra ivelan’Antananarivo toa an’Andoharanofotsy, Mahitsy… Hitohy any Toamasina ny hetsika ny 14 mey ho avy izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT