Finoana

Eglizy Anglikanina WAC Nahazo Eveka i Madagasikara


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Nohamasinina eveka aty amin’ny « province »-n’i Madagascar, araka ny fanamasinana tany Kampala Renivohitr’I Uganda ny 4 septambra teo i Son Excellence Mgr Lercia.

Izy no Eveka Malagasy voalohany ao aminy WAC (Worldwide Anglican Church) na Fikambanamben’ny Eglizy Anglican maneran-tany izay manana ny foibeny any Amerika. Fidiana isaky ny 5 taona ny Patriarch filoha maneran-tanin’ny WAC, ka i Dr Tusubira Lwanga Christopher no lehibeny maneran-tany ankehitriny, izay vao nitsidika an’I Madagasikara vao tsy ela. I Monseigneur Lercia kosa no miahy ny nosy manodidina eto, Seychelles, la Réunion, Mayotte, Maurice sy ireo firenen-dehibe telo dia Suisse, Allemagne, ary Australie. Nilaza ny tenany fa mavesatra loatra ny adidy, kanefa rehefa izay no tapaky ny birao foibe maneran-tany dia raisina ampanetren-tena. Mbola vitsy ny pretra eto Madagasikara hatram’izay fiandohany satria 41 monja, hiparitaka manerana ny nosy ireo manomboka ny 05 oktobra izao, aorian’ny synôda lehibe manomboka ny 26 septambra izao, araka ny fanazavan’ny Eveka Mgr Lercia. Notsipihiny fa misy eo amin’ny 35 taona niasana, misy 10 taona niasana ireo pretra ireo, misy koa ny diakra. Nomarihiny Mgr Lercia hatrany moa fa tsy ho ela dia hanana « prêtre missionnaire » maro sy masera hiasa eto Madagascar izy ireo, araka ny tapaka tamin’ny fivoriana farany natrehiny. Hisy eveka Malagasy roa hohamasinina tsy ho ela ihany koa. Tsara ho fantatra, hoy I Mgr Lercia, fa ny Eglizy WAC na Worldewide Anglican Church dia fiangonana ara-tantara aman-jato taonany no nisiany, ny filaharan’ny antanan-tohatra ao aminy dia, diakra, prêtre, eveka, arseveka, patriarch, ampian’ireo relijiozy vavy masera. Mitana ny laharana fahefatra maneran-tany izy eo amin’ny finoana kristianina. Manana vina maneran-tany amin’ny fampandrosoana ny maha olona izy ankoatry ny fitoriana ny vaovao mahafaly,… Manaraka ny “loi canon”, eveka telo farafahakeliny vao afaka manamarina eveka iray, io no lalàna misy. Miisa 09 moa ireo eveka nanasina ny Eveka Lercia notarihin’ny Patriarch Dr Tusubira Lwanga Christopher.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT