ÉGLISE CHARISMATIQUE FIAINAM-BAOVAO ANJEZIKA II

Noraisina omaly ny Mpitandrina Razafindratsimba Louis François


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Rehefa nandalo fotoana lavalava ihany tsy nanana Mpitandrina ny

fiangonana Église Charismatique Fiainambaovao Anjezika II etsy Andavamamba dia tapitra hatreo izany ankehitriny satria natolotry ny mpitantana avy eo anivon’ny Foiben'ity fiangonana ity omaly teny an-toerana hiandraikitra izany fiangonana izany ny Mpitandrina Razafindratsimba Louis François. Tonga nanolotra azy ireo ny mpino tao an-toerana ny Sekretera Jeneralin’ny Église Charismatique Fiainambaovao Nasionaly, Ralamboharisoa Hantsa Georgio sy ny filoha lefitra Nasionaly, Randriakotoniaina Elyllot Rizzan. Misy moa ny lamina ara-drafitra eo anivon'ity fiangonana ity ka dia izay no narahina nahafahana nanendry ny Mpitandrina Razafindratsimba Louis François hiandraikitra ny fiangonana etsy Anjezika II Andavamamba eto Antananarivo Renivohitra dia ny filan-kevitry ny Mpitandrina eto Analamanga izay nohamafisian'ny filankevi-pitantanana. Nifantoka tamin'ny fifandraisan'ny Mpitandrina sy ny mpino hiandraiketany ny toriteny nentin'ny Mpitandrina Randriamandimby Robinson tamin'io omaly Alahady io. Ny tokony ho fitondran-tenan'ny Mpitandrina sy ny tokony fandraisan'ireo mpino iandraiketany azy. Ny iray miandraikitra ary ny maro iandraiketana. Raha tsy mandeha araka ny tokony ho izy io fifandraisana io dia tsy mandeha ny fikarakarana ny ondrin'Andriamanitra. Tonga nifanotrona nandritra izao lanonana fiderana an'Andriamanitra noho ny fahazoan'Anjezika II Andavamamba Mpitandrina izao moa ny Mpitandrina maro avy eto Antananarivo sy ny manodidina. Nambaran'ny solontenan'ny mpino tao an-toerana fa faly izy ireo noho izao fahazoany mpitandrina izao. Nanamafy ny Mpitandrina Razafindratsimba Louis François fa hiaina fiainam-baovao tokoa ny mpino ao Anjezika II Andavamamba manomboka izao.
Pati
Legende : Ny Mpitandrina Razafindratsimba Louis François!


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT