Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano omaly maraina ny dokotera Robinson Jean Louis mivady sy i Neny Lalao Ravalomanana.
Nambaran’ny mpitandrina Ratefy Léon fa na ny olona aza raha haka mpanampy azy dia mifidy izay olona tiany hiarahany miasa koa mainka fa Andriamanitra. Efa nofidian’Andriamanitra ny mpiara-miasa tsara. Ny olona izay fidian’Andriamanitra, hoy ny mpitandrina, dia tsy voasakana na dia maro aza ireo mamingampingana azy satria ny fanahy masina no mialoha lalana azy. Tsy ny olona anefa no mifidy izay hiaraka hiasa amin’Andriamanitra fa Izy no mifidy ka tokony hanaiky izany fanendrena izany isika, hoy hatrany ny mpitandrina. Nambarany ihany koa fa maro ny fisehoan’ny fanendrena. Izay olona voatendry hanao ny asan’Andriamanitra dia olona nahazo tsodrano avy amin’izay nanendry azy ka tsy hisy hahatohitra izany amin’ny hazakazaka izay hataony amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Nambaran’ity mpitandrina ity ihany koa fa matoa tonga nanotrona an’izao fotoam-bavaka izao ireto olo-manankaja ireto dia efa fantatry ny Tompo fa izy ireo no voafidin’Andriamanitra hanafaka izao firenena izao ka nampaherezina sy nombam-bavaka izy ireo mba ho tafita amin’ny hazakazaka izay mbola hataony. «Raha ny mpitondra no mametraka ny fireneny eo anatrehan’Andriamanitra dia vonona ny hanampy azy ny Tompo», hoy hatrany ny toriteniny. Nisy nandritra ity fotoana omaly ity ny fanokanana ireo miaramilan’ny Tompo miisa 177 mianadahy, ka ny lehilahy 64 no nahavita ny fianarana nosorana ho mpitandrina, ary vehivavy miisa 113 ihany koa no notokanana ho evanjelistra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.