Dr Peter Youngren

“Hizara fifaliana sy firahalahiana no anton-diako”


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Tanterahina manomboka anio 21-24 septambra isaky ny amin’Ny 2ora tolakandro eto Antananarivo eny amin’ny

Coliseum Antsonjombe ilay “Fetiben’ny Firahalahiana” tarihin’ilay mpandahan-teny malaza eran-tany Peter Youngren. Nohamafisiny nandritra ny valan-dresaka tetsy amin’ny Novotel Alarobia omaly, fa hizara fifaliana no tena anton-diany, ka ny hetsika lehibe izay hotarihiny, dia tsy manavaka finoana na antokom-pinoana na karazam-pivavahana fa misokatra amin’ny rehetra ary maimaimpoana. “Tsy handoka finoana iray na hanaratsy ny hafa ka hiteny hoe: ity no tena tsara no anton-diako fa tena hizara fifaliana. Ny fanasitranana, fitiavana ary ny herin’I Jesosy dia ho an’ny olona tsy hanavahana fomba ara-kolontsaina, fomba amam-panao, na koa antokom-pinoana”, hoy izy. Naneho fa fanehoana hafatra izay tena manangana sady hanampy ny olona hanana fiainana mivoatra. Nambaran’ireo mpikarakara rahateo, fa saika miara-misalahy amin’ny fandraisana azy ny ankamaroan’ny fiangonana sy antokom-pivavahana eto Antananarivo izay misy ny avy amin’ny fiangonana zandriny, ary misy ny avy amin’ny fiangonana zokiny, raha ny fanamarihana. Hisy rahateo araka ny fanazavana ny fampiofanana nanasany ireo mpitarika ara-pinoana sy ara-pivavahana tsy an-kanavaka. Voalaza moa fa tao anatin’ny 50 taona dia olona an-tapitrisany manerana ny firenena maherin’ny 100 no efa nampianarin’I Dr Peter Youngren ny tsiambaratelon’ny fiainana, fitiavana, fahasalamana, fifaliana, ary ny fahombiazana miaraka amin’Andriamanitra. Tany amin’ny firenena sasany, dia nisy ny nahatratra hatrany amin’ny 600 000 ny olona nanatrika tao anatin’ny fotoam-pivoriana indray mandeha. Tsy manery ny olona hino ahy aho, fa asaiko tonga izy dia ahita, hoy izy, ka nanehoany fa efa maro ireo olona maneran-tany nahazo voka-tsoa teo anatrehan’ny olana samihafa: aretina tahaka ny homamiadana, fahajambana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT