Finoana

Dr Irako Andriamahazosoa Ammi « Tsy misy marimaritra iraisana amin'ny satana izany… »


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe omaly alahady 17 oktobra ny fanompoam-pivavahana fanolorana sy ho fitondrana am-bavaka ireo tompon'andraikitra vaovao voafidy ho amin'ny taom-piasana 2021-2025

 eo anivon’ny FJKM. Hafatra avy amin'ny Toriteny nentin’ny filohan’ny FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina ny hoe: Manasa ny olona rehetra hiditra amin'ny fankany Andriamanitra, izay nanehoany fa tsy misy fanavahana fokom-pirenena, tsy mifidy saranga,... Mety hisy anefa tafiditra ho roahin' Andriamanitr, nisy ny akanjo nomena amin'ny fampiakaram-bady, nisy ny nampandrosoina, nomena sakafo fa ho voaroaka, izany hoe mety manana andraikitra samihafa, efa ao am-piangonana, efa Mpandray,... fa mety ho roahina ihany. Misy ny fepetran'Andriamanitra, ny antso dia malalaka fa tsy gaboraraka, ary mila manaiky an'I Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ianao. Misy ohatra olona mandray andraikitra ao am-piangonana nefa sady manompo sampy, mampifangaro fivavahana,... Jesoa Kristy hitafiana mba hidiranao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, tsy misy marimaritra iraisana amin'ny satana izany amin'ny fahamasinan'ny fitondran-tenanao (na fiarahan'ny lahy sy lahy, na vavy sy vavy, ny fijangajangana,...) na eo ary ny rivotra mitsoka samihafa amin'ny fiaraha-monina, ny antso dia malalaka fa tsy gaboraraka, hoy ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina Filohan’ny FJKM.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT