Finoana

Dr Irako Andriamahazosoa Ammi “Miorena tsara, mahereza tsara, miasà tsara”


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Hipoka tanteraka ny Coliseum Antsonjombe omaly, fotoam-bavaka lehibe

 

 

 

nentin’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara na ny FJKM nanankinana amin'Andriamanitra ny taom-piasana 2021 sy ho fangataham-pitahiana ny filohan'ny FJKM sy ny ankohonany. Noho ny mbola maha eo ny valanaretina covid-19, dia isan’ny nanentana ny fanajana ny fepetra indrindra fa ny fanaovana arovava orona ny FJKM satria mizara aina mantsy ny fiangonana fa tsy mizara aretina sanatria. Hafatra nentin’ny Filohan’ny FJKM Mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi ny hoe: “Miorena tsara, mahereza tsara, miasà tsara”. Ny hoe miorena tsara dia mila marina ny fibebahana, manaiky marina an'i Jesoa ho Mpamonjy, miorina tsara amin'ny fivelomana amin'ny Tenin'Andriamanitra; ny “Mahereza tsara” kosa dia mahery amin'ny fanefana ny adidy, enga anie isika ho toy ny Kristiana Makedoniana (II Korintiana 8:1-5), raha marina ny fanoloran-tenantsika dia malalaka ny tanana amin'ny fanolorana ho an'Andriamanitra, mahereza amin'ny vavaka, mivavaha manokana ho an'ny Synoda Lehibe isak'Alahady any amin'ny isam-pitandremana, tsarovy am-bavaka ny Filohan'ny FJKM satria amin'ity taona ity dia sady hisahana ny FFPM ihany koa izy. Tsarovy am-bavaka ny firenena ho resy ny valanaretina, ary ho avy ny orana, hoy ny hafatra. Ny hoe “miasa tsara” kosa, dia misy toerana telo asongadina manokana ilàna ny fifanomezan-tanan: Imerimandroso Ambatondrazaka ivon-toerana fanofanana mpampianatra, ny eny Ivato izay misy ny Toeram-panomanana Mpitandrina, tsangambaton'ny faha-50 taona ny nananganana azy, izay nisaorana manokana ny Fianakaviana Marc Ravalomanana tamin'ny anjara lehibe noentin'izy ireo, ny any Androy izay mila vonjy aina ny any amin'ny alalan'ny fizaràna sakafo sy rano, efa nisy ny dingana voalohany natao notarihan'ny Sekretera Jeneralin'ny FJKM, ny Doyen Faculté Théologie, ny Mpitandrina Atsimon'Imahamasina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo izay nandeha tany an-toerana tamin'ny desambra 2020.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT