Finoana

Dr David Rakotonirina Nanamafy ny fihavanan’ny Mpino FLM any SAVA


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Tonga ao Sambava hatry ny talata 4 septambra ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy eto Madagasikara Dr Rakotonirina David.

 

 

 Fiarahamonina efa tony, milamina no novantaniny tamin’ity fitsidihany indray mitoraka ity raha toa ka saritaka, fizarazarana, fivakisana no nitranga herintaona lasa. Tranga izay nanakoako hatrany ivelany any, nanamaloka ny tantaran’ny FLM. Nitrangana savorovoro tao amin’ny sinaodam-paritany Avaratra Atsinanana tamin’ny janoary 2017 raha tonga namangy tany an-toerana ny filoha sy ny filoha lefitry ny FLM, efa niravona izany amin’ny ankapobeny na dia mbola hendratrendratra be ihany aza ny mpikambana sasany. “Fifaliana lehibe ao anatin’ny fifamelan-keloka no misy ankehitriny”, hoy Dr Rakotonirina David. Hiaraka hankalaza amin’ny mpino FLM ny isan-taona ao amin’ny sinaodam-paritany Avaratra Atsinanana, izay atao eto Sambava, Dr Rakotonirina David  amin’izao diany izao, sady hanome voninahitra ny jobilin’ny filohan’ny sinodam-paritany Pastora Razafimahatratra Jean de Dieu mivady ary ny famangiana ireo fileovana maro samy hafa aty amin’ny Faritra SAVA. Misy koa ny fampiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy iarahan’ny CNaPS foibe sy ny FLM, izay fifanekem-piaraha-miasa efa ho 20 taona izay.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT