Finoana

Distrikan’Arivonimamo “Mbola an’i Dada ny tanŕna”, hoy ny Pasitera Edouard


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Loa-bava ny Pasitera Edouard Tsarahame raha avy nanatrika lanonan’ny TIM sy ny Ankolafy 3 tany Arivonimamo, ka nanambara fa dia “mbola an’i Dada ny tanŕna any”, hoy izy tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

 «Teo Ambatonapoaka no efa niandry ny vahoaka. Tsy mbola misy olona natakalon’ny vahoaka ny Depiote Rodin, ary ny mahavariana dia ilay olona naato tamin’ny asany ary natao tsinontsinona no itarainan’ny vahoaka nefa dia misy ny olom-boatendry any. Tsy fampanantenana no nomen-dRodin ny mponina fa asa avy hatrany. Nasaina mitady hazo hatao tsatoka izy ireo fa izy no hiantoka gropy ho an’ilay tanàna. Ary mbola nanome vola hamitana ny CEG any an-toerana koa izy, izay tapaka ny asa fanamboarana azy io». “Mitoetra ny fitiavan’Arivonimamo an’i Dada”, hoy ny Depiote Rodin nanamafy izany. Fanontaniana mivantana amin’ny mpitondra FAT no napetraky ny Pasitera Edouard amin’ny resaka famerenana ny fitsarana ny raharaha 7 febroary 2009. «Efa mba nisokatra ve ilay fitoriana nalefan’ny Filoha Ravalomanana», hoy izy, momba ny tranga rehetra hatramin’izay ?

 

Manohy

 

SARY : Pasitera Edouard Tsarahame omaly tetsy Behoririka

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT