Finoana

Disosezin’i Tsiroanomandidy Tafapetraka ny Eveka vaovao Mgr Gabriel Randrianantenaina


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha Eveka vaovaon’ny Diosezin'i Tsiroanomandidy i Mgr Gabriel Randrianantenaina.

 Izy no eveka faha-4 hitantana ny Diosezin'i Tsiroanomandidy taorian'i Mgr Angel Martinez, Mgr Jean Samuel Raobelina, Mgr Gustavo Bombin Espino. Tamin’ny alalan’ny lamesa lehibe teo ambany fitarihan’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana tao amin’ny Kianjan’ny Lycèe Tsiroanomandidy omaly alahady 11 jolay 2021 no nentina nametraka azy tamin’ny toerany. Marihina fa tsy nisy eveka natritra ny telo taona i Tsiroanomandidy taorian’ny nandehanan’i Mgr Gustavo Bombin Espino nifindra any amin’ny Diosezin’i Maintirano. Tamin’ny 30 aprily lasa teo no notendren’ny Papa François ho evekan’’i Tsiroanomandidy ity i Mgr Gabriel Randrianantenaina. Talohan’ny nanendrena azy, dia Sekretera-Mpandrinara na “Secrétaire-Coordinateur” teo anivon’ny Conférence épiscopale ny tenany. Ny sabotsy lasa teo ity Eveka vaovao ity no nihazo an’Ankadinondry sakay, ary noraisin’ireo pretra ao anatin’ny diosezy notarihin’i Mompera Jean Claude Rakotoarisoa, ary teo ihany koa ireo solontenam-panjakana nahitana ny governoram-paritra, ny depiote, ary ny ben’ny tanànan’Ankadinondry Sakay.
ENCADRE
Tafiditra anatin'ny fomba sy ny litorjian'ny Fiangonana ny hoe rehefa fanamasinana Eveka dia tsy maintsy Eveka telo no manamasina an'ilay Eveka voafidy. Raha ho an’ity tany Tsiroanomandidy ity izao dia misy ny mpanamasina voalohany : Kardinaly izy eto, Mpanamasina faharoa : Nonce Apostolique, ary ny Mpanamasina fahatelo dia ny Evekan’ny Diosezin'i Maintirano, Eveka izay niandraikitra an'i Tsiroanomandidy teo alohan’ilay Eveka vaovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT