Finoana

Diosezy Antsirabe Mikatona avokoa ny Eglizy Katolika


  • Zoma 10 Jolay 2020

Mikatona avokoa ny Eglizy KATOLIKA manerana ny diosezy Antsirabe nanomboka ny 8 Jolay ka hatramin’ny Alatsinainy 20 Jolay 2020.

Hajanona izay karazana hetsika famoriam-bahoaka rehetra ary arahana ireo fepetra nomen’ny fanjakana foibe. Ahemotra aoriana ny fanomezana ny sakramentan’ny fankaherezana any amin’ireo distrika ao anatin’ny diosezy efa voatondro hanatanterahana izany ireto ( Faratsiho, Ambatofotsy, Miandrarivo, Soamananazy). Nivoitra ireo tao anatin’ny fanambarana nataon’i Mgr Philippe Ranaivomanana Evekan'Antsirabe, ny 8 jolay teo. Noraisina ny fepetra, hoy ny fanazavana, « ho fiaraha-mientana amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina COVID-19 eto amin’ny faritra Vakinankaratra ». Mihàtra avy hatrany ireo fepetra voarakitry ny fanambarana, ary hiova araka ny fiovan’ny toe-draharaha, hoy hatrany i Mgr Philippe Ranaivomanana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT