Finoana

Diosezin’i Farafangana Hapetraka anio ny Eveka vaovao


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Hapetraka anio ao amin'ny diosezin'i Farafangana ny eveka hitantana ity diosezy ity; ny Mgr Gaetano Di Pierro. Hisy ny Sorona Masina hotarihin'ireo evekan'i Madagasikara sy ny famakiana ny taratasy manendry azy amin'io andraikitra io, niainga avy yamin'ny fanendren'ny papa François ny 3 martsa teo.

 

Mpisolo toerana hatrany no nitantana ity diosezy ity teo aloha; rehefa voatendry ho evekan'Antsiranana ny Mgr Ramaroson Benjamin. Eveka fahenina hisahana ny diosezin'i Farafangana ny tenany. Ankoatra izay, hotanterahina ny alahady izao koa ny fanandratana ho olomasina an-dRamose Botovasoa Lucien. Hotanterahina any Vohipeno ny Sorona Masina hitondrana am-bavaka azy. Ho ambohipihaonan'ny mpino katolika sy ny kristianina ary ny vahoakan'i Vatovavy Fitovinany miaraka amin'ny any Atsimo Atsinanana ny any Farafangana sy i Vohipeno; manomboka izao. Andrasana hamaly ny antso koa ireo filohan’antoko lehibe.

 


 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT